<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Avy S. Stanley</author>
<hymn_number>425</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Ny ratsy efa tiako,
 Tsy tahotro, tsy henatro
 Fa zava-bao no hitako :
 Te-hijery izany aho.

[V3]
 Ao ny hazo fijaliana
 Ao ny Tompo efa maty :
 Izy no nijery ahy
 Tsy tezitra, fa niantra.

[V4]
 Hoy ny fijeriny ahy
 « Hianao mamono Ahy »
 Dia hitako mahantra aho
 Ny heloko namono Azy.

[V5]
 Aiza no handosirako
 'Ndrao hidiran-doza aho ?
 Iza no hamonjy ahy,
 Feno ota, feno loto ?

[V6]
 Nijery ahy indray Izy :
 « Avelako ny helokao
 Fa ny ràko no manadio
 Hahazoanao fiainana ».

[V7]
 Maty Kristy, be ny ota,
 Maty i Jeso ! be fitia.
 Faly malahelo aho,
 Sambatra, manana ody aina.</lyrics>
<title>Ny ratsy efa tiako FFPM425</title>
</song>